<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Manatona re, rankizy FFPM807</title>
<lyrics>[V1]
 Manatòna re, rankizy,
 Ny Mpamonjy avotrao,
 Fa henoy, miantso Izy,
 Izao fotoana anio izao :
 « Zaza be faniasia,
 Miverena hianao ;
 Ondry kely, malakia,
 Manaraka Ahy izao ! »

[V2]
 Ny devoly andosiro,
 Ka ny ota ialao,
 Fa ny tsara no fikiro,
 Tiavo re Jesosinao ;
 Miovà ka manenena
 Noho ny ota izay natao,
 Raisonao ny famonjena
 Ka hazony hatrizao.

[V3]
 Miaingà ka manompoa
 An'i Jeso Tomponao,
 Tanteraho avokoa
 Ny anjara asanao ;
 Halaviro re ny laina,
 Miasà ka mazotoa,
 Hatanjaho re ny saina
 Mahareta, mandrosoa.</lyrics>
<hymn_number>807</hymn_number>
<author>L. Mason</author>
</song>